Luke 9

1Niantso ireo roa ambin’ny folo lahy Izy ary nanome azy ireo ny hery sy fahefana amin’ireo demonia rehetra ary hanasitrana ireo aretina. 2Nalefany izy ireo hitory ny fanjakanan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary.

3Hoy Izy tamin’izy ireo Izy hoe: “Aza mitondra na inona na inona amin’ny dianareo _ tsy misy tehina, tsy misy kitapom-batsy, tsy misy mofo, tsy misy vola, ary tsy misy akanjo fanampiny. 4Izay trano idiranareo, dia mijanona ao mandra-pialanareo.

5Na aiza na aiza tsy handraisan’izy ireo anareo, rehefa mandao izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano hiala amin’ny tongotrareo ny vovoka mba ho fijoroana vavolombelona anoherana azy ireo.” 6Avy eo dia lasa izy ireo ary namakivaky ireo tanàna, nitory ny filazantsara sy nanasitrana teny rehetra teny.

7Ary henon’i Eroda mpanapaka avokoa ireo izay nitranga rehetra, ary dia very hevitra izy, satria voalazan’ny sasany fa Jaona mpanao batisa dia nitsangana tamin’ny maty, 8ary voalaza fa niseho Elia, ary ny sasany kosa milaza fa iray tamin’ireo mpaminany fahiny no nitsangana tamin’ny maty. 9Hoy Eroda hoe: “Izaho no nanapa-doha an’i Jaona, koa iza indray izany olona andrenesako zavatra tahaka izany?” Ary niezaka ny ahita Azy izy.

10Rehefa niverina ireo apostoly, dia nitantara taminy ireo zavatra rehetra vitan’izy ireo. Avy eo nentiny niaraka taminy izy ireo, ary nandeha nitokana ho amin’ny tanàna antsoina hoe Betsaida. 11Fa vao nandre ny momba izany ireo vahoaka, dia nanaraka Azy. Dia noraisiny izy ireo ary nambarany azy ireo ny momban’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ireo izay nila fanasitranana Izy.

12Ary rehefa ho ariva ny andro, dia nanatona Azy ireo roa ambin’ny folo ka niteny hoe: “Alefaso andeha ireo vahoaka mba afahan’izy ireo mandeha any amin’ireo tanàna manodidina sy ambanivohitra mba hahita fatoriana sy sakafo, satria aty amin’ny tany foana isika.” 13Fa hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Omenareo zavatra ho hanina izy ireo.” Ary niteny ireo hoe: “Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay _ raha tsy hoe mandeha izahay ary mividy sakafo ho an’ireo olona rehetra ireo.” 14(Teo dia nisy teo amin’ny lehilahy dimy arivo teo ho eo). Ary nilaza tamin’ireo mpianany Izy hoe: “Apetraho ho vondrona dimampolo isan’isany izy ireo.”

15Koa dia nanao izany izy ireo, ary nampipetraka ireo vahoaka. 16Nandray ireo mofo dimy sy hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, nisaotra ireo ary nozarazarainy, ka dia nomeny ireo mpianatra izany mba ho tolorana ireo vahoaka. 17Nihinana izy rehetra ka afa-po, ary nangonina ireo sisa tsy lany _ ka nisy potipotiny roa ambin’ny folo harona.

18Ary rehefa nivavaka manokana Jesosy, dia niaraka taminy ireo mpianatra. Dia nanontany azy ireo Izy, nanao hoe: “Ataon’ireo vahoaka ho iza moa aho?” 19Namaly izy ireo hoe: “Jaona mpanao batisa. Fa ireo sasany nilaza hoe Elia, ary ireo sasany milaza fa nitsangana tamin’ny maty ny iray tamin’ireo mpaminany fahiny.”

20Ary niteny tamin’izy ireo Izy hoe: “Fa ataonao ho iza moa Aho?” Namaly Petera hoe: “Ilay Kristin’Andriamanitra.” 21Fa noraràny mafy izy ireo tsy hilaza izany na amin’iza na iza, 22nanao hoe: “Ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hijaly amin’ny zavatra maro ary ho lavin’ireo loholona sy lohan’ny mpisorona ary ireo mpanora-dalàna, ho vonoina Izy ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangana.”

23Ary hoy Izy tamin’izy rehetra hoe: “Raha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy ary mitondra ny hazofijaliany isan’andro ary manaraka Ahy. 24Na iza na iza te hanavotra ny ainy dia hanary izany, fa na iza na iza manary ny ainy noho ny fitiavana Ahy dia hanavotra izany. 25Inona no tsara azon’ny olona amin’ny fananana izao tontolo izao, kanefa manary na mamotika ny ainy?

26Fa na iza na iza menatra ny amiko sy ireo teniko, dia ho menatra azy koa ny Zanak’Olona rehefa tonga amin’ny voninahiny, sy ny voninahitry ny Ray sy ireo anjely masina Izy. 27Fa lazaiko marina aminareo, fa ny sasany amin’ireo izay mitsangana eto dia tsy hahita fahafatesana mialohan’ny ahitany ny fanjakan’ Andriamanitra.”

28Ary valo andro teo ho eo taorian’ny nilazan’i Jesosy ireo teny ireo, dia nentiny niaraka taminy Petera sy Jaona ary Jakoba ka niakatra ny tendrombohitra hivavaka. 29Raha nivavaka iny Izy, dia niova ny endriky ny tarehiny, ary nivadika fotsy manjelanjelatra ny akanjony.

30Indro, nisy roa lahy niresaka taminy, Mosesy sy Elisa, 31izay niseho tamim-boninahitra mamirapiratra. Niresaka momba ny fialàny Izy, izay ho entiny ho ho tanterahina any Jerosalema.

32Ary Petera sy ireo izay niaraka taminy dia navesatrin’ny torimaso, fa rehefa tena taitra tanteraka izy ireo, dia nahita ny voninahiny sy ireo lehilahy roa izay nitsangana niaraka taminy. 33Ary rehefa niala nanalavitra an’i Jesosy izy ireo, dia hoy Petera taminy hoe: “Tompo, tsara amintsika ny mijanona eto. Avelao izahay hanamboatra fialofana telo, iray ho Anao, iray ho an’i Mosesy, ary iray ho an’i Elia.” (Tsy fantany izay nolazainy.)

34Teo am-pitenenany izany izy, dia nisy rahona tonga nanarona azy ireo, ka dia natahoatra izy ireo rehefa niditra tao amin’ilay rahona. 35Nisy feo nivoaka avy tany amin’ilay rahona, nanao hoe: “Inty no Zanaka Lahiko, ilay Iray izay voafidy; henoy Izy.” 36Rehefa niteny ilay feo, dia Jesosy irery no hita teo. Nitazona ny fahanginany izy ireo ary tsy niteny tamin’iza na iza tamin’izany andro izany ny momba izay rehetra hitan’izy ireo.

37Ary ny andro manaraka an’io, rehefa nidina avy any an-tendrombohitra izy ireo, dia vahoaka maro nifanena taminy. 38Indro, nisy lehilahy iray avy tao amin’ny vahoaka no nihiaka mafy, nanao hoe: ‘’Ry mpampianatra o, mitalaho aminao aho mba hijery ity zanako lahy ity, fa zanako tokana izy. 39Hitanao, misy fanahy mibaiko azy dia mihiaka tampoka izy; mampifanintona azy izany ka mampamoaka roatra ny vavany. Tsy miala aminy izany ary mahatorovana tanteraka azy. 40Nitalaho tamin’ireo mpianatrao aho mba hanala izany, fa tsy afak’izy ireo.”

41Namaly Jesosy ka nanao hoe: ‘’Ianareo tsy mpino sy taranaka ratsy fitondran-tena, hafiriana no tsy maintsy hitoerako miaraka aminareo sy hiaretako miaraka aminareo? Ento ety ny zanakao lahy.” 42Rehefa nanatona ilay zaza lahy, dia natsipin’ny demonia tamin’ny tany izy ary nampihinjitsinjitra azy. Fa Jesosy niteny mafy ilay fanahy maloto ary nanasitrana ilay zaza lahy, ary namerina azy tany amin’ny rainy.

43Ary avy eo dia talanjona avokoa izy rehetra nahita ny halehiben’Andriamanitra. Raha gaga tamin’ny zava-drehetra nataony iny izy ireo, dia hoy Izy tamin’ny mpianany hoe: 44“Avelao ireto teny ireto ho tonga lalina ao an-tsofinareo: ny Zanak’Olona dia ho vadihana ho eo an-tanan’olona.” 45Fa tsy azon’izy ireo izany fanambarana izany. Izany dia nafenina tamin’izy ireo, noho izany dia tsy azon’izy ireo ny dikan’izany, ary mbola natahotra izy ireo ny hanontany ny momba izany fanambarana izany.

46Ary avy eo dia nisy fifandirana nanomboka teo amin’izy ireo ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy ireo. 47Fa Jesosy, nahafantatra ny fihevitra tany am-pon’izy ireo, dia naka zazakely iray ka napetrany teo anilany 48ary niteny tamin’izy ireo hoe: “Fa na iza mandray ity zaza ity amin’ny anarako, dia mandray Ahy; ary na iza na iza mandray Ahy, dia mandray ilay Iray izay naniraka Ahy. Fa izay kely indrindra aminareo rehetra no lehibe.”

49Jaona namaly hoe: “Tompo o, nahita olona iray izahay nanala demonia tamin’ny anaranao dia nosakananay izy, satria izy tsy manara-dia miaraka aminay.” 50‘’Aza raràna izy,” hoy Jesosy, “satria izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.”

51Rehefa nanakaiky ny andro ampiakarana Azy, dia niatrika ho any Jerosalema Izy. 52Nandefa mpitondra hafatra Izy hialoha Azy, ary nandeha izy ireo ka niditra tao amin’ny tanàna Samaritana iray mba hanomana ny zavatra rehetra ho Azy. 53Fa ny vahoaka tao tsy nandray Azy, satria nitodika ho any Jerosalema Izy.

54Rehefa nahita izany Jakoba sy Jaona mpianatra, dia hoy izy ireo hoe: “Tompoko, tianao ve izahay raha handefa afo milatsaka avy any an-danitra mba hamotika azy ireo?” 55Fa nitodika Izy ary niteny mafy tamin’izy ireo, 56ary lasa tany amin’ny tanàna hafa izy ireo.

57Ary rehefa nandeha teny an-dalana izy ireo, dia nisy olona iray nanao taminy hoe: “Hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.” 58Jesosy niteny taminy hoe: “Ny amboahaolo manan-davaka, ary ireo vorona eny an-danitra dia manana ny akaniny, fa ny Zanak’Olona tsy manana toerana asiana ny lohany.”

59Ary hoy Izy tamin’ny hafa hoe: “Manaraha Ahy.” Fa hoy izy hoe: “Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko.” 60Fa hoy Izy taminy hoe: “Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy. Fa ho anao, mandehana ka mitoria any lavitra any ary hitaro ny fanjakan’Andriamanitra.”

61Ary nisy olona hafa nanao hoe: “Hanaraka Anao aho, Tompo, fa avelao aho aloha hanao veloma ireo any an-tranoko.” Jesosy namaly azy hoe: “Tsy misy olona mitàna angady ary miherika ka mendrika ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”

62

Copyright information for PltULB